Categories
Jenezy

Jenezy 1

Fitantarana voalohany ny nahariana an’izao tontolo izao.

1 Tamin’ny voalohanyAndriamanitranahary ny lanitra sy ny tany.

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny haizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.

3 Hoy Andriamanitra: «Misia ny mazava.» Dia nisy ny mazava.

4 Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.

5 Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.

6 Hoy Andriamanitra: «Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano.»

7 Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.

8 Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

9 Hoy Andriamanitra: «Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.» Dia tanteraka izany.

10 Nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina, ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

11 Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.

12 Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

13 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.

14 Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;

15 ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany.» Dia tanteraka izany.

16 Nanao ny fanazavanaroa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa.

17 Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany,

18 hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

19 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.

20 Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»

21 Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

22 Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: «Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.»

23 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.

24 Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.

25 Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

26 Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isikahanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.»

27 Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.

28 Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»

29 Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo.

30 Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voromanidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.» Dia tanteraka izany.

31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.

Categories
Jenezy

Jenezy 2

1 Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra nomba azy.

2 Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.

3 Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany andro izany no nitsaharany tamin’ny zavatra rehetra noarîny tamin’ny nanaovany azy.

4 Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rehefa voaary izy, rehefa vitan’i IavehAndriamanitra ny tany sy ny lanitra.

Fitantarana faharoa ny fahariana – Ny paradisa

5 teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria i Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.

6 Nefa nisy etona niakatra avy amin’ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.

7 Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.

8 Ary i Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.

9 Ary nampanirin’i Iaveh Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao, sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha, ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

10 Nisy ony anankiray nivoaka tao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra.

11 Fisôna no anaran’ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena.

12 Ary tsara ny volamena amin’izany tany izany. Any koa no misy ny bdeliôma sy ny vato ôniksa.

13 Geôna no anaran’ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra.

14 Tigra no anaran’ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan’i Asora. Ary Eofrata no anaran’ny ony fahefatra.

15 Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.

16 Ary i Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: «Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.

17 Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianaoamin’ny andro hihinananao.»

18 Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»

19 Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.

20 Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.

21 Ka nataon’i Iaveh Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony.

22 Ny taolan-tehezana nalain’i Iaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy.

23 Ary hoy ralehilahy: «Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.»

24 Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.

25 Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

Categories
Jenezy

Jenezy 3

Fahalavoana

1 Ny bibilavano fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’i Iaveh Andriamanitra.

2 Hoy izy tamin-dravehivavy: «Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?» Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: «Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;

3 fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo.»

4 Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: «Tsia, tsy ho faty akory ianareo;

5 fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.»

6 Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.

7 Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.

8 Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’i Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an’i Iaveh Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

9 Fa i Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: «Aiza moa ianao?»

10 Hoy ny navaliny: «Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho.»

11 Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?»

12 Hoy ny navalin-dralehilahy: «Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.»

13 Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»

14 Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.

15 Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»

16 Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»

17 Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao.

18 Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao.

19 Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»

20 Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

21 Nanaovan’i Iaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.

22 Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.»

23 Dia navoakan’i Iaveh Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy.

24 Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

Categories
Jenezy

Jenezy 4

I Kaina sy i Abela

1 Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»

2 Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.

3 Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an’i Iaveh.

4 Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary i Iaveh nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,

5 fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.

6 Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika?

7 Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»

8 Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: «Andeha isika ho any an-tsaha.» Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

9 Dia hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Aiza i Abela rahalahinao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?»

10 Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.

11 Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.

12 Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»

13 Dia hoy i Kaina tamin’i Iaveh: «Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.

14 Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»

15 Hoy i Iaveh taminy: «Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.» Ary nasian’i Iaveh famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.

16 Raha efa izany dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Kaina, ka nonina tany amin’ny tany Nôda, atsinanan’i Edena.

Ny taranak’i Kaina

17 I Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Enôka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray i Kaina ka nantsoiny hoe Enôka, araka ny anaran-janany.

18 I Irada no naterak’i Enôka, ary i Irada niteraka an’i Maviaela; i Maviaela niteraka an’i Matosaela; i Matosaela niteraka an’i Lameka.

19 Nampirafy roa i Lameka; Adà no anaran’ny anankiray, ary Selà no anaran’ilay faharoa.

20 I Adà niteraka an’i Jabela; izy no rain’ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan’ny biby fiompy.

21 Ny anaran’ny rahalahiny Jobala; izy no rain’izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina.

22 I Selà kosa niteraka an’i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran’ny anabavin’i Tobal-Kaina dia Noema.

23 Ary hoy i Lameka tamin’ireo vadiny:

«Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà;

Henoy ny teniko, ry vadin’i Lameka:

Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko;

Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.

24 Hovaliana faty impito heny i Kaina,

ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny i Lameka.»

I Seta sy ireo taranany

25 Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, ka hoy izy: «Nomen’Andriamanitra ny fara aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.»

26 I Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe i Enôsy. Vao tamin’izay no nanomboka niantso ny Anaran’i Iaveh ny olona.

Categories
Jenezy

Jenezy 5

Ireo patriarka talohan’ny safodrano

1 Ity no boky misy ny tantaran’i Adama.

Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny olombelona dia nataony manahaka an’Andriamanitra izy.

2 Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin’ny nahariany azy.

3 Telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta.

4 Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.

5 Telopolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Adama; dia maty izy.

6 Dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta vao niteraka an’i Enôsy izy.

7 Mbola velona fito amby valon-jato taona i Seta taorian’ny niterahany an’i Enôsy, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

8 Roa ambin’ny folo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Seta, dia maty izy.

9 Sivy folo taona ny andro niainan’i Enôsy vao niteraka an’i Kainany izy.

10 Mbola velona dimy ambin’ny folo amby valon-jato taona i Enôsy taorian’ny niterahany an’i Kainany, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

11 Dimy amby sivin-jato taona ny andro rehetra niainan’i Enôsy, dia maty izy.

12 Fitopolo taona ny andro niainan’i Kainany vao niteraka an’i Malaleela izy.

13 Mbola velona efapolo sy valon-jato taona i Kainany taorian’ny niterahany an’i Malaleela, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

14 Folo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Kainany; dia maty izy.

15 Dimy amby enimpolo taona ny andro niainan’i Malaleela, vao niteraka an’i Jareda izy.

16 Mbola velona telopolo amby valon-jato taona i Malaleela taorian’ny niterahany an’i Jareda, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

17 Dimy amby sivifolo sy valon-jato taona no andro rehetra niainan’i Malaleela; dia maty izy.

18 Roa amby enimpolo amby zato taona ny andro niainan’i Jareda vao niteraka an’i Enôka izy.

19 Mbola velona valon-jato taona i Jareda taorian’ny niterahany an’i Enôka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

20 Roa amby enimpolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Jareda, dia maty izy.

21 Dimy amby enimpolo taona ny andro niainan’i Enôka vao niteraka an’i Matosalema izy.

22 Mbola nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitratelon-jato taona i Enôka, taorian’ny niterahany an’i Matosalema, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

23 Dimy amby enimpolo sy telon-jato taona no andro rehetra niainan’i Enôka.

24 Nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Enôka, dia tsy hita intsony, fa nentin’Andriamanitra izy.

25 Fito amby valopolo amby zato taona ny andro niainan’i Matosalema vao niteraka an’i Lameka izy.

26 Mbola velona roa amby valopolo sy fiton-jato taona Matosalema taorian’ny niterahany an’i Lameka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

27 Sivy amby enimpolo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Matosalema; dia maty izy.

28 Roa amby valopolo amby zato taona ny andro niainan’i Lameka vao niteraka zazalahy anankiray izy,

29 nataony hoe Nôe no anarany, fa hoy izy: Ity no hanamaivana antsika amin’ny fahasasarantsika sy amin’ny asa tanana mahasasatra avy amin’ity tany efa voaozon’i Iaveh ity.

30 Mbola velona dimy amby sivy folo sy dimanjato taona Lameka taorian’ny niterahany an’i Nôe, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy.

31 Ary fito amby fitopolo sy fiton-jato taona no andro rehetra niainan’i Lameka; dia maty izy.

32 Rehefa dimanjato taona i Nôe, dia niteraka an’i Sema sy i Kama ary i Jafeta.

Categories
Jenezy

Jenezy 6

Ireo zanaka lahin’Andriamanitra sy ny zanaka vavin’ny olombelona

1 Nony efa niantomboka ho maro ny olona teto ambonin’ny tany ary efa niteraka zazavavy izy

2 dia hitan’ireo zanak’Andriamanitrafa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.

3 Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihanyny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»

4 Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.

Fiharatsian’ny olombelona

5 Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.

6 Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,

7 ka hoy Izy hoe: «Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarîko, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voromanidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.»

8 I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’i Iaveh.

9 Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.

10 Niteraka telo mirahalahy izy, dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta.

11 Ary tamin’izay, nihasimba teo anatrehan’Andriamanitra ny tany, sy nihafeno faharatsiana.

12 Nijery ny tany Andriamanitra ka indro efa simba izy, fa samy efa nanimba ny lalany tambonin’ny tany avokoa ny nofo rehetra.

Fiomanana amin’ny safodrano

13 Ka hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran’ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin’ny tany.

14 Ary ianao, manaova sambo fiara amin’ny hazo misy dity; asio efitrefitra izy, ary hosory ditin-tany ny atiny sy ivelany.

15 Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.

16 Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin’ny tafo; ary varavarana iray amin’ny lafin’ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo.

17 Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.

18 Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara ianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao.

19 Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo.

20 Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin’ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velona aina.

21 Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»

22 Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.

Categories
Jenezy

Jenezy 7

1 Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.

2 Ny biby madiorehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;

3 ny voromanidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.

4 Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»

5 Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’i Iaveh ataony.

6 Efa enin-jato taona izy tamin’ny nahatongavan’ny safodrano nanafotra ny tany.

7 Niditra ao an-tsambo fiara i Nôe mbamin’ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safodrano.

8 Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin’ny tany;

9 dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Nôe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe.

10 Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safodrano.

11 Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,

12 ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

13 Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;

14 dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.

15 Nanatona tsiroaroa izy ireo, avy amin’ny nofo rehetra manam-pofon’aina nankeo amin’i Nôe tao an-tsambo fiara.

16 Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.

Safotry ny rano ny tany

17 Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.

18 Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin’ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin’ny rano.

19 Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitraavo rehetra, tambanin’ny lanitra manontolo.

20 Ka tafasondrotra dimy ambin’ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy.

21 Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.

22 Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony.

23 Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.

24 Dimampolo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin’ny tany.

Categories
Jenezy

Jenezy 8

1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano;

2 nikatona ny loharanon’ny hantsana sy ny vavahadin-dranon’ny lanitra; ary nitsahatra tsy nilatsaka avy any an-danitra ny ranonorana.

3 Nisintona tsikelikely teo ambonin’ny tany ny rano nandroso nihemotra, ka nony afaka dimampolo amby zato andro, dia nietry izy.

4 Ary tamin’ny volana fahafito, andro fahafito ambin’ny folon’ny volana, dia niantsona teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara.

5 Nihena niandalandalana ny rano, hatramin’ny volana fahafolo, ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra.

6 Nony afaka efapolo andro, i Nôe dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara,

7 ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo, mandra-mpaharîtrany rano tambonin’ny tany.

8 Ny voromahailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.

9 Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.

10 Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.

11 Ary niverina nankeo aminy ny voromahailala nony harivariva, ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.

12 Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromahailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.

13 Tamin’ny taona faharaika amby enin-jato, tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.

14 Ary tamin’ny volana faharoa, andro fahafito amby roapolon’ny volana, dia maina ny tany.

Ny nialana tao amin’ny sambo fiara

15 Ary tamin’izay dia niteny tamin’i Nôe Andriamanitra nanao hoe:

16 «Mivoaha amin’ny sambo fiara ianao sy ny vadinao, ny zanakao lahy sy ny vinantovavinao miaraka aminao.

17 Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»

18 Dia nivoaka i Nôe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny.

19 Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.

20 Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.

21 Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.

22 Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Categories
Jenezy

Jenezy 9

Fanekem-pihavanana vaovao

1 Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.

2 Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra, ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tananareo ireny.

3 Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.

4 Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy, izany hoe ny rany.

5 Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.

6 Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.

7 Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»

8 Hoy koa Andriamanitra tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:

9 «Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,

10 amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.

11 Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho: tsy hisy levon’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano handringana ny tany intsony.»

12 Dia hoy Andriamanitra: «Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra:

13 Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.

14 Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana.

15 Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava- manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo- drano mandringana ny nofo rehetra intsony.

16 Ho eo amin’ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin’Andriamanitra sy amin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin’ny tany.»

17 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Izany àry no famantarana ny fanekena naoriko amiko sy amin’ny nofo rehetra ambonin’ny tany.»

I Nôe sy ny zanany telo lahy

18 Ny zanak’i Nôe nivoaka tao an-tsambo fiara dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta; ary i Kama no rain’i Kanaana.

19 Izy telo lahy ireo no monina amin’ny tany rehetra.

20 Mpiasa tany i Nôe, ka nanomboka namboly voaloboka izy.

21 Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy.

22 Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.

23 Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy.

24 Niamboho ny tavan’izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nôe dia nahare izay nataon-janany faralahy taminy,

25 ka hoy izy:

«Ho voaozona anie i Kanaana.

Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»

26 Hoy indray izy:

«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema

Ary aoka ho andevony i Kanaana.

27 Hataon’Andriamanitra malalakaanie i Jafeta.

Aoka izy honina ao an-dain’i Sema.

Ary aoka ho andevony i Kanaana.»

28 Mbola velona dimampolo sy telon-jato taona i Nôe taorian’ny safo- drano.

29 Ary dimampolo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan’i Nôe, dia maty izy.

Categories
Jenezy

Jenezy 10

Firenena taranak’i Nôe mameno ny tany

1 Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.

2 Zanak’i Jafeta: i Gômera, i MaGoga, i Maday, i Javàna, i Tobala, i Mosòka, ary i Tirasa.

3 Zanak’i Gômera: i Aseneza, i Rifata, ary i Togorma.

4 Zanak’i Javàna: i Elisà sy i Tarsisa ary i Setima sy i Dôdanima.

5 Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.

6 Zanak’i Kama: i Kosy, i Mesraima, i Fota, ary i Kanaana.

7 Zanak’i Kosy: i Saba, i Hevilà, i Sabata, i Regma ary i Sabatakà. Zanak’i Regma: i Saba.

8 I Kosy niteraka an’i Nemrôda, izay voalohan’olona manam-pahefana tamin’ny tany.

9 Mpihaza mahery teo anatrehan’i Iavehizy, ka izany no anaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nemrôda mpihaza mahery eo anatrehan’i Iaveh.

10 Ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela, i Aràka, i Akada, ary i Kalane any amin’ny tany Senaara.

11 Avy ao amin’io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an’i Niniva, i Rekôbôta-Ira, i Kale,

12 ary i Resena anelanelan’i Niniva sy i Kale; io no ilay tanàna lehibe.

13 I Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftoima,

14 ny Fetrôsima, ny Kasloima, izay iavian’ny Filistinina ary ny Kaftorima.

15 I Kanaana niteraka an’i Sidona lahimatoany, sy i Heta;

16 ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerijeseanina,

17 ny Heveanina, ny Araseanina, ny Sineanina,

18 ny Aradianina, ny Semareanina, ary ny Amateanina. Ary nony tatỳ aoriana niely ny fokon’ny Kananeanina.

19 Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.

20 Ireo no taranak’i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin’ny taniny sy any amin’ny fireneny avy.

21 Dia nitera-dahy koa i Sema, rain’ny zanak’i Ebera rehetra, sy zokin’i Jafeta.

22 Zanak’i Sema: i Elama, i Asora, i Arfaksada, i Loda, ary i Arama.

23 Zanak’i Arama: i Osa, i Hola, i Getera, ary i Mesa.

24 I Arfaksada niteraka an’i Sale, ary i Sale niteraka an’i Ebera.

25 Roa lahy no zanak’i Ebera, ka Falega no anaran’ny anankiray, fa tamin’ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran’ny rahalahiny.

26 I Jektàna niteraka an’i Elmôdada, i Salefa, i Asarmota, i Jare,

27 i Adôrama, i Ozala, i Deklà,

28 i Ebala, i Abimaela, i Sabà,

29 i Ofira, i Hevilà, ary i Jôbaba.

30 Izy rehetra ireo dia zanak’i Jektàna. Ny tany nonenan’izy ireo dia ny tendrombohitra atsinanana hatrany Mesà manitsy an’i Sefara.

31 Ireo no taranak’i Sema, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny, any amin’ny taniny avy, araka ny fireneny avy.

32 Ireo no fianakavian’ny zanak’i Nôe, araka ny taranany, any amin’ny fireneny avy. Avy amin’ireo ny firenena niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano.